Rakoto Andrianirina Fetison : « Ny fikaonandoham-pirenena no mandeha mialoha »

Naneho ny heviny, tao­rian’ny fanapahan’ny HCC ny amin’ny hanatanterahana ny fitsapankevi-bahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena, ny filoha nasionalin’ny RDS, Rakoto Andrianirina Fetison. Nambarany fa efa handeha amin’ny herinandro ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny fakan-kevitra momba ny fifidianana. Mbola andrasana kosa anefa ny fikaonandoham-pirenena hotarihin’ny FFKM. «Samy manana ny lanjany ireo dingana ireo, saingy tsy tokony hafangaro. Ilaina ny fanomanana ny fifidianana fa tokony hiainga amin’ny fehin-kevitry ny fikaonandoham-pirenena ny famaritana ny rafitra hitondrana ny firenena sy ny lalàmpanorenana vaovao», hoy izy.
Nofaritany tamin’izany fa tokony hazava ny filaharany. Atao mialoha ny fikaonandoham-pirenena, miaraka amin’ny famoahana ny fehin-kevitra. Miroso amin’ny famolavolana sy fandrafetana lalàmpanorenana avy eo, arahin’ny fampiharana ara-dalàna ny dingana nofaritan’ny HCC momba izany, eny amin’ny Antenimierampirenena. Mito­hy amin’ny fitsapankevi-bahoaka na fifidianana lalàmpanorenana avy eo ary faranana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. «Tsy voatery hifanohitra ny hevitry ny HCC sy ny fikaonandoham-pirenena manoloana ireo rehetra ireo ary tsy tokony ho fanamarinana fanapahan-kevitra efa noraisina ny fikaonandoham-pirenena, fa ho fototra iorenan’ny fanavaozana», hoy ihany izy.
Notsiahiviny fa tokony hifantoka amin’ny fomba sy fepetra hanatanterahana ny fifidianana ny dinika faharoa, hatao eny Ivato, amin’ny herinandro.

Synèse R.

Partager sur: