Vovonana IFR : Mampahantra ny fanjakana tokana

Nitondra ny fanazavana mahakasika ny tombontsoan’ny firenena amin’ny fironanana any ain’ny faritany mizaka tena ny Vovonana IFR na Ivon’ny Fanavaozana ny Repoblika izay tarihin’ny filohany, Rabetsitonta Tovona­nahary, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Andavamamba.
Fotokevitra ijoroan’ny IFR ny faritany mizaka tena. Miainga amin’ny vahoaka ny hevitra, ireo fikambanana samihafa ary haravona hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara.
Efa voarafitra ny volavolan’ny lalam-panorenena mahakasika ny Faritany Mizaka tena ary tena hitondra fampandrosoana eny ifotony izany fa tsy baiko midina toy ny hatramin’izay. Lalàmpano­re­na­na fanjakana tokana no niainana hatramin’izay ary mampahantra mandrak’androany ka tsy tokony hotazomina intsony.
Mpanohana ny fanavaozana ary miaro ny fanavaozana ny IFR ary vonona hanambatra hery hitondra fanavaozana. Kihon-dalana ho an’ny firenena izao ka tokony hosarotiny mihitsy ny rehetra tsy hiveren’ny fampahantrana intsony.
Tsapa anefa fa mbola eo ireo mpanoa aoriana sy ny tsimatimanota ka ilana fitandremana tanteraka izany. Tsy ekena intsony ny paikady fanonganam-panjakana ary manameloka tanteraka ny endrika fanakorotanana sy ny fikasana ny fifofoana ny ain’ny mpitondra ankehitriny ny IFR.
Tokony hafainganina ny fikaonandoham-pirenena izay tarihin’ny fanjakana mahefa. Ny FFKM kosa no elanelam-panahy.

Tatiana A

Partager sur: