FAO sy Micc : miara-miasa hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Eo ny minisiteran’ny In­dostria, ny varotra sy ny fanjifana (Micc), miaraka amin’ny fanohanan’ny FAO, miara-miasa hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, araka ny fepetra iraisam-pirenena. Niarahan’ny roa tonta nanao sonia, omaly, ny tetikasa amin’ ny fanamafisana eto amin’ ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ara-pahasalamana. Ampiasaina avokoa ny fitaovana teknika rehetra sy fepetra misy mifanaraka amin’ izany ho fiarovana ny fahasalamana araka ny zava-maniry misy sy ny zava-manan’aina, araka ny fepetra iraisam-pirenena.
Najoro ny Codex Alimen­ta­rius, raha tsorina lalàna momba ny sakafo miaraka amin’ny FAO eo anivon’ny Firenena mikambana, ny Fikambanana iraisam-pire­nena momba ny sakafo sy ny OMS. Nofaritana ny fepetra iraisam-pirenena rehetra hiarovana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. 188 ireo firenena mpi­kambana nanao izany sonia Codex amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany, anisany i Madagasikara. Fandraisan’ anjaran’i Madagasikara izany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Tamin’ny 2006, ohatra, notohanan’ny FAO ny komity momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny governemanta malagasy. Mitohy hatramin’ izao ny fiaraha-miasan’ny FAO sy ny Micc amin’ny fana­tsarana ny kalitaon’ny tetikasa momba ny sakafo (Codex Ali­mentarius). Voalohany, fiantohana ny fahasalamana momba ny sakafo, ka ny tetikasa ma­maritra ny fanadihadiana momba ny fepetra ho fiaro­vana ny sakafo ; Tohanan’ny filoha lefitry ny tetikasa ireo mitambatra amin’ny komitim-pirenena amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ; fampahafantarana ireo mpandray anjara rehetra ny fepetra tsy maintsy arahina amin’ny fanarahana momba ny sakafo.
Zava-dehibe ohatra ny fan­draisana anjara amin’ny fepetra ho fanatsarana ny fiarovana amin’ny sakafo sy ny mponina, ny fifanakalo­zana ara-barotra ifanaovana. Fehiny : fiarovana ny toeka­rena .

Ndrina

Partager sur: