Nitohy tany amin’ny faritra Itasy indray ny fikaonandoham-paritra tanterahin’ny antoko Malagasy miara-miainga. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny momba ny fifidianana.
« Takinay ny hanavaozana tanteraka ny Ceni sy ny lalàm-pifidianana. Tsy atokisanay ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao », hoy ireo nandray fitenenana. Nohitrikitrihin’izy ireo fa ilaina ny fanavaozana ny rafitra mialoha ny hikitihana ny tontolon’ny fifidianana.
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, fa tsy azo ekena ary tsy mendrika hikarakara fifidianana intsony ny Ceni amin’izao endriny izao. Tsy voahaja hatrany ny tena safidim-bahoaka ary sarintsarim-pifidianana no nisy teto. « Nampahantra sy nahatonga krizy hatrany izany. Efa tsy nekenay io Ceni io tamin’ny taona 2013 nefa mbola izao tohizana izao ihany. Tsy hoe mety io fa nosoloina ny olona nefa ny fomba fiasainana sy fomba fiasa mitovy ihany », hoy izy. Hentitra ny MMM nilaza fa rafitra efa notakiana horavana no mbola handray ny hevitry ny antoko politika. Nanteriny fa tsy mbola tara raha hanova sy hanatsara ny zotram-pifidianana mba hanafoanana ny tsimatimanota. Nentaniny ny rehetra sy ireo tanora mba handray andraikitra amin’ireo ambaratongam-pifidianana. Tokony handraisana fepetra hentitra koa ireo manao ny tsy mety amin’ny fifidianana, araka ny nambarany hatrany. « Mila mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny safidy isika olom-pirenena », hoy izy.
Synèse R.





