Fikaonandoham-paritry ny MMM: Ilaina ny fifampihainoana eto amin’ny firenena

Faritra faha-17 nahavitan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga ny fikaonandoha ny faritra Atsimo Andrefana. Maherin’ny 10 000 km no vita ho fanakaikezana ny mpiray tanindrazana.

Mitohy ny asa ety ifotony ataon’ny MMM, amin’ ny maha antoko velona sy miaina azy. Anisan’ny andraikitra sahanina ny fanabeazana ara-potokevitra sy ara-politika ny mpikambana, ny fampahafantarana amin’ny olom-pirenena ny foto-kevitra ijoroany.
Ny Démocratie chrétienne no foto-kevitra fototra iompanan’ny Antoko hatramin’izay. Foto-kevitra izay mametraka ho laharam-pahamehana ny rariny ara-tsosialy, ny fana­jana ny maha olona ary ny fifanampiana.
Mba hahatanteraka izany, mijoro hatrany ny MMM amin’ ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, izay ma­nome fahafahana ny Faritra hitantana sy hampiasa ny harenany ary hamaritra ny lalàm-pampandrosoana mifanaraka amin’ny filan’ny mpo­nina ao aminy. Hahatonga ny Faritra tsirairay hahazaka tena ihany koa.
Nazava ny hafatra nentin’ ireo mpikatroka MMM teto Toliara : ilaina ny fifampihainoana, ny fifanakalozan-kevitra malalaka ary ny dinidinika ambany tafotrano tahaka izao, mba hahafahana miheno ny hetahetan’ny olom-pirenena sy ny olana sedrain’izy ireo.
Antoko mijoro sy miasa araka ny fenitra ny Malagasy Miara-Miainga. Tsy miandry fotoam-pifidianana vao mihetsika, ary tsy mikendry toerana ao anatin’ny fitondrana no antony ijoroany. Ny maha Antoko politika dia hita amin’ny asa atao isan’andro: ny fanamafisana ny foto-kevitra, ny fanabeazana ara-politika sy ara-potokevitra ireo mpikambana ary ny fizarana izany amin’ny olom-pirenena.
Tsy ny fifidianana na ny toerana politika no mamaritra ny maha Antoko ny Antoko, fa ny foto-kevitra ijoroana sy ny asa tsy tapaka atao ho an’ny taninjanaka.

Synèse R.

Partager sur: