Filohan’ny Fanavaozana : “Ezaka ataonay ny fiarahamonina tan-dalàna”

“Fitiavan-tanindrazana miaraka amin’ny fiarahamo­nina tan-dalàna sy mifanaja no ezaka mafy ataonay izao”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandray ireo Mala­gasy mpianatra vitsivitsy tany Antalya, Torikia, namaranany ny dian’ny delegasiona notarihiny tany an-toerana tamin’ny fiatrehana ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny Fiovan’ny toetr’andro (COP 31), afakomaly. Nohamafisiny fa tena mbola mila fahatongavan-tsaina iombonana ny Ma­lagasy. Izay no fototry ny fampandrosoana ny firenena, indrindra amin’izao fiatrehana ny fiovana sy fanavaozana izao.
Fanirian’ireo mpianatra ny hisian’ny masoivoho mala­gasy any Torkia. Mba hisian’ ny rafitra ara-panjakana afa-kikarakara azy ireo izany. Miankina tanteraka amin’ny fivoaran’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta no hahazoana manokatra masoivoho, araka ny fanazavan’ny filo­han’ny Fanavaozana. Ho hita eo ny momba an’izay, fa volabe ny fanokafana sy fampandehanana masoivoho iray. An­koatra izany, nisy ny fanoloran-tenan’ireo mpianatra hi­tondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny tanin­drazana. Voalaza fa nahazo fanabeazana sy fampianarana manokana dieny mbola kely ireo olom-pirenena torika. Amin’ny fanarahan-dalàna sy fitsipika izany. Tsy mahagaga raha mankato lalàna amam-pitsipika ny rehetra, izay hita mazava fa fototry ny filami­nan’ny fiarahamonina any an-toerana. Irian’izy ireo ny hitondra traikefa momba izany aty Madagasikara.
Taorian’izay, nandray ny Praiminisitr’i Rwanda, i Julien Nsengiyumva, ny filohan’ny Fanavaozana. Nifantohan’ny dinika tamin’ny fihaonana ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ ny firenena roa tonta, indrindra eo amin’ny sehatry toekarena sy ny varotra.

R. Nd.

Partager sur: