Tohatohabaton’Analakely: Nohatsarain’ny fianakavian’i Garbit

Mandalo eto Madagasikara ny zafikelin’i Hubert Garbit, governora jeneraly teto Madagasikara, ny taona 1869 – 1933. Nohararaotin’izy ireo izany hanatsarana sy hanavaozana ny tohatohabato eo Andohanan’Analakely, mivoaka eo amin’ny Pharmacie Pergola Antaninarenina, izay noforoniny sy mitondra ny anarany. Fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Antanana­rivo Renivohitra izany. Nambaran-dRalaiharison Nirina Thierry, filoha voalohany ny delegasiona manokana fa efa hatramin’izay no niara-niasa ny roa tonta ary fanamafisana izay fifamatoram-pihavanana izay, izao. Nodiovina ary namboarina sy nametrahana arofanina ny tohatohabato. Asiana jiro hanazava amin’ny alina. Niantoka ny lany rehetra ny fianakavian’i Hubert Garbit, izay nanamafy fa fahatsiarovana ny zavatra nataon-draibeny izay mipetraka ho vakoka. Noho izany, tsy mitaky tambiny izy ireo. Anjaran’ny kaominina kosa ny nanatsara ny tonelina Ambohidahy ka nandokoana ny ao anatiny sy nametrahana arofanina ho an’ny mpandeha an-tongotra. Nisy ny takela-pahatsiarovana eo amin’ny tohatohabato.

Synèse

Partager sur: