Distrikan’i Manjakandriana : Hifaninana amin’ny kitra ny kaominina

Hikarakara fifaninanana lalao ara-panatanjahantena eo amin’ny samy kaominina eo anivon’ny distrikan’i Manjakandriana, ny fikambanana Zoky Misa. Hotanterahina amin’ny volana desambra ho avy izao ny hetsika. Nanatanteraka fihaonana hanomanana izany, teny Ambohimalaza, araka izany, ny solontenan’ny kaominina 25 mandrafitra ny distrika, omaly. Tanjona ny mba hifankafantarana sy hanohizana ny fiaraha-miasa ary hifanoha­nana amin’ny zavatra atao rehetra eo amin’ny samy kaominina, izay mandrafitra ny disitrika. Ankoatra izay, natao hampifandraisana ny tanora rehetra ao amin’ity disitrika ity ny hetsika. “Ny firaisankina no fototry ny fampandrosoana eo anivon’ny kaominina”, hoy i Zoky Misa nandritra ny fandraisam-pitenenany. Namba­rany fa tsy misy distrika mandroso raha tsy miray hina ny kaominina mandrafitra azy. « Zava-dehibe ho an’ny tanora amin’ny lafiny fitaizana ny fifaninana tahaka izao. Fampi­tana fahaizana ho an’ny tanora eo an-tanàna, fitiavana ihany koa izy io », hoy kosa ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotoari­ma­nana Henintsoa, fantatra amin’ny anarana hoe : Tota. Nambarany fa ho lasa lavitra ny tontolon’ny baolina kitra raha maromaro ny zavatra toy izao. Marihina fa natomboka tamin’ny fifanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny filohan’ny fikambanana Zoky Misa sy ny seksionina ny baolina kitra Manjakandriana ny fotoana. Nitohy tamin’ny fizarana fitaovana entina manomana ny fifaninana: toy ny baolina ny fotoana ary avy eo nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo. Tonga nanatrika io fotoana io ny ben’ny Tanàna avy amin’ny kaominina 25.

Mino

Partager sur: