Mihazakazaka ny fotoana. Mihazakazaka manaraka izany ihany koa ny teknôlôjia. Ny fanehoana ny ampahany amin’ireo dingana efa vitan’ny zanak’olombelona, momba azy io no anisan’ny antom-pisian’ny « Novembre numérique ».
Nanomboka ny 3 novambra teo, tao amin’ny Alliance française Antananarivo, eo Andavamamba (AFT). Miaina ao anatin’ny tontolon’ny teknôlôjia ireo rehetra nitsidika teny an-toerana. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Novembre numérique ». Atrikasa, velakevitra, fifanakalozan-kevitra, fanehoana momba ireo zava-bita miainga avy amin’ny fampiasana ny tenôlôjia, sns. Raha ny hita teny an-toerana. Ireo tanora no voasarika sy liana amin’ny fivoaran’ny teknôlôjia. Tsy nijanona tamin’ny fanadihadiana fotsiny ihany ry zareo fa nandray anjara feno tamin’ ny fandaharam-potoana rehetra.
Atrikasa « Mon ami robot » niarahana tamin’ny Stem4 Good. Iray amin’ireo namaly ny hetahetan’ny tanora ahafantatra ireo dingana efa vitan’ny tontolon’ny « robot ». Anisan’ny nahasarika tanora maro ihany koa ny velakevitra momba ny « Intelligence artificielle » na ny « IA », izay mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan-janakolombelona sy ny fiarahamonina iray manontolo indrindra fa ny asa famoronana sy fikarohana. Ampahany amin’ny fanontaniana novaliana teny an-toerana ny hoe : « Afaka maka ny toerantsika eo amin’ny tontolon’ny famoronana ve ny « IA », kanefa, tsy mangalatra ireo famoronana efa vitantsika izy amin’izany ? ».
Iray amin’ireo fandaharam-potoana andrasan’ny tanora fatratra ho an’ny anio ny « Tournoi eSport » miaraka amin’ny Megamadagame. Malalaka rahateo ny hilalaovana satria eo ivelan’ny trano. Ry zareo ireto ihany, isaky ny alarobia sy ny sabotsy no manatanteraka ny « Animations jeux vidéo », mahasarika fatratra ny tanora.
HaRy Razafindrakoto





