« Mamiko foana » : Hisedra ny CCEsca i Hery sy Haja

Fampiaraham-peo nasongadin’ny « Pazzapa », taona maro lasa izay. Mbola manohy ny fiarahana ary hiaka-tsehatra etsy amin’ny CCEsca An­ta­­nimena i Hery sy Haja, ny alahady 15 novambra izao, amin’ny 3 ora tolakandro. « Mamiko foana », lohatenin’ilay hiran’izy ireo malaza indrindra, lohatenin’ny rakikira efa nivoaka no mbola hampisalorana ny fampisehoana ihany koa io. «Fampahafan­tarana ilay rakikira, no fampahatsiahivana amin’ny mpankafy ireo hira efa fantany io. Iainana mivantana an-tsehatra ireo hira, miaraka amin’ny mpitendry matihanina mba ho tena seho matihanina » , hoy ny mpikarakara nandritra ny fampahafantarana, omaly, tetsy Analakely.
« Aleo manome zavatra tsara indrindra, satria mivoatra aingana ilay mozika dia misy mitady ho difotra, ka mila miezaka mijery izay tsara sy mampiavaka mba hahafatarana anay, mba hisy sonia kely. Hery sy haja mpiara-mivazo dia izay no nahatonga ny seho, hivazo isika ao. Ndao hiaraka hizara mozika noforoninay», hoy ireto mpanakanto ireto.
Hanana vahiny, izay namany teo amin’ny mozika hatramin’izay i Haja sy Hery. Hizara indray ny « Tiako tokoa » , « Ila », « Maha te ho tia », ary ireo hira vaovao toy ny “Mpandresy Aho”, izy ireo. Tsy mivaona amin’ny gadona ahafantarana azy, dia ny rock somary malefaka i Hery sy Haja. Ny tohiny, amin’ny alahady.

Zo ny Aina

Partager sur: