FAKAFAKA

Maro ireo diso hevitra

Vokatry ny fanaovana « antanambotsotra ». Fanindraindrana sy filohalohavana ny tsy sahaza ny tena… Maro ireo diso hevitra. Vao miposaka ny masoandro. Mifampiarahaba amin’ny teny frantsay na anglisy… Dia mihevi-tena fa Frantsay na Anglisy ? Sa, mihevi-tena ho ambony noho ny hafa ? Manam-pahaizana noho ny sasany ?… Ny mifanohitra amin’izay. Vao maheno ilay teny frantsay na anglisy ifampiresahan’ny hafa… Midanaka, rarak’ivy, mitsiriritra… miloa-bava fa : « ireny no olo-mandroso. Olona ambony… Tsongonolombolo… ». Lasa ny fitenenana teny vahiny, fotsiny, dia ampy ho an’ny Malagasy, ho « mari-pandrefesana » zavatra na olona maro ka ilazana hoe : manam-pahaizana, olona ambony, bado, hendry, olo- mandroso… Ilain’ny fiarahamonina…
Io tranga iray io no nampifamototra sy mampifamototra ary mbola mety hampifamototra ny tena zava-misy marina eto Madagasikara. Na Malagasy tsy mahalala izay ambony amin’ny ambany amin’ny fombany aza. Rehefa miteny amin’ny fiteny vahiny dia manjary sy heverina ho olon-kendry. Na ireo tsy mahita izay atsimo sy avaratra amin’ny fadiny sy ny fadim-piarahamonina aza. Rehefa mifampiresaka amin’ny fiteny vahiny dia lazaina fa « fitaratra ». Na, ireo tsy mahalala akory ny razana nipoirany sy ny tanin-drazana nitsimohany aza. Rehefa mihira sy miteny amin’ny fiteny vahiny dia lazaina fa olona ambony, olom-banona, sns.
… Ireo Malagasy mahalala sy mampiasa ny hasin’ny teniny, indray, no mihafihafy eto amin’ny tanindrazany. Ireo Malagasy mahafantatra ny momba azy indray, no voahilikilika ka tsy tafapetraka eo amin’ny toerana sahaza azy. Samy mitoetra amin’ny toerana tsy tokony hisy azy (tsy sahaza azy) na ireo mihevitra na heverina fa olo-mandroso, na ireo lazaina fa mitaredretra sy bado.
… Samy diso toerana noho ny endrika ivelany. Noho ny hevi-diso… Tsy mahagaga raha mitambotsim-pandry hatrany i Madagasikara sy ny Malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: