Mpikabary miisa 32 andiany « Misandratra » no navoakan’ny Fikambanana fandrotrarana mikabary Fi.FA.Mi tao amin’ny Espace Behenjy Itaosy, ny sabotsy 14 novambra 2026 lasa teo. 14 taona ny zandriny indrindra ary 72 taona ny zokiny indrindra tamin’ireo nandranto fahalalana. Naharitra 8 volana ny fiofanana ho an’ity andiany fahenina ity.
« Hanandratra avo ny soatoavina malagasy ary hampiroborobo ny tontolon’ny kabary ny tanjon’ity fikambanana ity … Ilaina ny mahay mandaha-teny sy mahafehy ireo hanitra nentin-drazana ho fanoitra lehibe amin’ny fampivoarana ny tena, na amin’ny fiainana andavanandro izany na ny vanimpotoana miavaka… », raha ny nambaran’ireo mpitantana, ahitana an’i Ary Jaona Randianasolo filoha mpitantana, Rakotonjanahary Joh filoha mpanorina ary i MiAina Fenosiatoavina talen’ny fampianarana.
Mifanindran-dalana amin’io nambaran’ireo mpitantana io ny fivelarana sy fisian’ny toeram-piofanana sokafan’ny Fi.Fa.Mi eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Anisan’ireny ny foibe eny Itaosy, Andranonahoatra, Andoharanofotsy, Ambatoroka, Anosizato, Anosibe. Nanterin’ny mpitantana hatrany fa manome lanja ny fisokafana sy ny fifandraisana amin’ny hafa ihany koa ity fikambanana ity. Fantatra fa 6 taona nijoroana ny FI.FA.MI.
Nanangona :
HaRy Razafindrakoto





