Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora omaly, ireo roa lahy voarohirohy ho nikasa hamaky trano. Tratran’ny polisy PPA3 Ilanivato izy roa lahy ireto niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana, ny talata maraina teny Ampefiloha. Nahatsikaritra azy roa lahy nitondra fitaovana toy ny antsy, hety lava sy barre à pince ny polisy. Somary hafahafa fihetsika, nasaina nijanona izy ireo saingy nikasa hitsoaka kanefa tsy nahetsika intsony satria voafehin’ny polisy. Niaiky ry zalahy nandritra ny famotorana nataon’ ny polisy fa saika hamaky trano teny amin’ny manodidina an’Ampefiloha. Monina eny Ankadimbahoaka kosa izy ireo fa mitety faritra manao ny asa ratsiny, kanjo izao tratra izao. Mifandray tendro amin’ireo mpivarotra entana halatra eny Isotry ry zalahy ireto rehefa avy manao ny asa ratsiny, araka ny fanazavana voaray.
Taorian’ny famotorana, natolotra ny fampanaovana ka niafara tamin’ ny fampidirana am-ponja azy ireo.
Jean Claude