Hotanterahina ao amin’ny kianja mitafon’i Phoenix, Maurice ny 21 – 28 novambra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2026), taranja handball. Miisa 19 ireo ekipa hiatrika izany ka 9 vehivavy. Avy amin’ny firenena fito izy ireo dia Madagasikara, Maurice, Mayotte, Maurice ary La Réunion sy Comores ary Seychelles. Fihaonana karakarain’ny fikambanan’ny handball aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AHBOI) sy ny fikambanan’ny Handball ao Maurice (MHA). Manana solontena roa avy eo amin’ny lehilahy sy vehivavy i La Réunion sy i Madagasikara. Iray vondrona ho an’ny vehivavy, ny My-Sah Itasy, tompondakan’i Madagasikara sy ny ASCES Etang-Salé La Réunion.
Tompondaka
Sokajy «A» lehilahy : ST Pierre (La Réunion) ; Littoral (Madagasikara) ; Curepipe (Maurice) ; Combani (Mayotte) ; Liberte (Comores) ; Rodrigues
Sokajy «B» : Château Morange (La Réunion) ; HCEST (Madagasikara) ; Beau-Bassin Rose Hill (Maurice) ; ASC Tsingoni (Mayotte) ; AC Brothers (Seychelles)
Sokajy «A» vehivavy : Bois de Nèfles (La Réunion) ; Combani (Mayotte) ; THBC (Madagasikara) ; Curepipe (Maurice) ; Liberte (Comores)
Sokajy «B» : Etang-Salé (La Réunion) ; Tsingoni (Mayotte) ; My-Sah (Madagasikara) ; Beau-Bassin (Maurice) ; Rodrigues





