Efa lasa ny taloha

 

Mampafanafana fo ity hoe fanovana sy fanavaozana ? Sanatria, tsy hoe tampohin-javatra. Tsy efa mba amin’izay azo zakaina kosa ve ny krizy politika miverimberina? Tsy mampandroso, mampahantra… Atao tany fady amin’izay? Miankina amin’ny ataon’ny tsirairay sy ny rehetra miaraka no mahasoa na maharatsy. Tena miova ? Na hanova… Tsy manao sarin’ady fa tena miady, indrindra amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota, ny fampiharan-dalàna amin’ny hoe Fanjakana tan-dalàna…
Tsy anaovana kajikajy sy paipaika, ohatra, izay lazaina sy atao rehetra, fa amin’ny anaran’ny fangaraharana sy ny fahamarinana. Tsy zaza bodo na bado ny vahoaka: na tsy mihetsika sy mangina aza, manara-maso. Lazaina izay atao, atao izay lazaina. Izay no isian’ny fifampitokisana, indrindra fitoniana eo amin’ny fampandrosoana. Mora mikorontana sy korontanina izay tsy mifankahazo amin’izay lazaina sy atao. Mila atao akaiky sy marin-toerana ary mitohy ny fifandraisana. Tsy izay metimety amin’ny tena na mamalifaly ny andaniny ihany. Na vahoaka io, na mpitondra. Mifampihaino izany, mahalala ny hetaheta sy izay maharary ankilany. Tsy ny fanaovana izany antsirambina ve, ohatra, no nahafeno ny kapoaka, ka nampitobaka azy teny an-dalambe ?
Saro-pady sy mila fahamailoana àry izay fifandraisana izay, mitarika amin’ny fifampitondrana koa. Tsy inona fa fifampizakana amin’izay tena mahasoa amin’ity hoe fiovana sy fanavaozana: tsy azo ihodivirana, tsy ahazoana miverin-dalana fa efa nirotsahana… Ho hitan’ny havany sy ny ataony eo izay tsy miova na tsy vonon-kanova. Raha miova ny maro ary ary ovaina ny fanao taloha tsy ahombiazana: efa lasa tokoa ny zavatra taloha na efa tsy lasa intsony matoa ovaina sy ahavaozina. Vitan’ny hafanam-po?

R. Nd.

Partager sur: