Manodidina ny 220 ireo olona tonga nanao fitiliana an-tsitrapo ny tsimokaretina VIH/Sida teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Nahatsapana fa liana ny tanora ny amin’ny fahafantarana ny toe-pahasalamany. Tsy nisy ny tranga vaovao hita tamin’ireo olona nanaovana fitiliana.
Notanterahina tany Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo, ny hetsika Freedom Festival nokarakarain’ny masoivoho amerikanina nampahafantarana ny faha-250 taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia. Notolorana loka ihany koa ireo mendrika tamin’ny fifaninanana fananganana orinasa ao amin’ny American Corner.
Nandritra ny fitetezam-paritra ataon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tao amin’ny Dren Atsimo Andrefana, tsikaritra fa misy ireo mpianatra mipetraka amin’ny tany, fotodrafitrasa simba, sekoly tsy ampy fitaovana. Tanjona ny mamantatra ny zava-misy mari-pototra eny ifotony hitondrana vahaolana haingana.





