Tsy nahita fahombiazana tamin’ny fifaninanana “tir de précision” i Tendry Fitia, solontenan’i Madagasikara. Raraka teo amin’ny fihodinanana voalohany izy. Tafita amin’ny dingana manaraka kosa ny ekipa malagasy, tamin’ny lalao olon-telo miaraka.
Notontosaina nanomboka ny sabotsy teo, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, “Mondial”, taranja tsipy kanetibe, izay tanterahina any Thaïlande, hatramin’ny 25 novambra ho avy izao. Ratsy ny vokatra azon’i Madagasikara, teo amin’ny “tir de precision”. Satria, raraka teo amin’ny fihodinana voalohany, i Tendry Fitia Fanjamanovofifaliana. Isa 26 ihany no azony tamin’ireo sokajin-dalao nisy. Tsy naharo ny volamena efa azon’ny Malagasy, araka izany, i Tendry ary votsotra teo am-pelatanan’i Madagasikara ny medaly volamena ny “Mondial”, izay efa teo an-tanany, ny taona 2024 lasa teo, tany France. Tsiahivina fa i Razafindrainibe Jean-François Daniel na i Zigle, no voahosotra tompondaka farany, tamin’io “tir de precision” io tamin’izany, saingy tsy tafiditra tao anaty ny delegasiona malagasy hiatrika ity fifaninanana maneran-tany ity, ny tenany, na dia efa niatrika fampivondronana sy fifantenana natao teny Ankatso, tamin’ ny voalohandohan’ny volana novambra lasa teo. Ampahafantarina ihany fa i Tendry, anisan’ireo mpilalao nahazo ny tompondakan’i Madagasikara, tamin’ny olona telo miaraka, farany teo.
Tafita amin’ny dingana manaraka
Taorian’ny lalao fihodinana izay nataon’i Madagasikara, nahita fandresena efatra sy faharesena iray, ry Baloty, Lova, Tendry, ary i Liva. Mipetraka eo amin’ny laharana voalohany vonjimaika ry zareo. Raha hiverenana kely ireo fihaonana vita teo amin’ny lalao voalohany, lavon-dry zareo 13 no ho 4, i Pologne. Faharoa kosa, resin’ny Malagasy mpilalao, 13 no ho 6, i Alzeria. Fahatelo, resin’i Madagasikara, 13 no ho 9, ny nosy rahavavy Maurice. Fahefatra, mbola nahita fahombiazana ihany i Madagasikara rehefa nandresy an’i Senegal, 13 no ho 6. Fahadimy, lavon’ny mpampiatrano, Thaïlande, 13 no ho 6, i Madagasikara. Hitohy anio kosa ny dingana manaraka.
Fitia Randria





