Andavamamba: Mpanendaka saron’ny polisy

Voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny polisim-pirenena ny lehilahy iray mivelona amin’ny asa fanendahana eny amin’ny faritra Andavamamba sy ny manodidina, afakomaly. Nandroba mpandalo teny amin’io toerana io ity olon-dratsy ity, araka ny loharanom-baovao. Niditra an-tsehatra tamin’ny fanarahan-dia azy avy hatrany ny polisy izay nanatri-maso. Tsy lasa alavitra, tra-tehaka ilay mpanao ratsy. Notazomina izy ary nosavaina. Hita teny aminy ny finday nangalariny. Naverina amin’ny tompony ny entana nalain’ity farany. Nentina natao famotorana teny anivon’ny biraon’ny polisy izy. Niaiky heloka ary tsy afa-nanda intsony ny fiampangana azy. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha. Voatazona vonjimaika any am-ponja sady miandry ny fitsarana azy. Marihina fa malaza ratsy amin’ny fisian’ny asa fanendahana sy ny sinto-mahery eny amin’ny faritra Andava­mamba sy ny manodidina. Mila mailo ny tsirairay izay mandalo sy mivezivezy eny an-toerana.

Tsiferana R.

 

Partager sur: