Niomerika sy internet : Maika ny hamerenana handinihina ny volavolan-dalàna

« Re fa notsoahina teny amin’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna momba ny internet sy ny niomerika », raha ny tatitry ny mpahay toekarena Andrianantoanina Jonah. Aminy, maika ny hamerenana handinihina izany.

Hitondra fampandro­soana ny toekarena ny firoboroboan’ny internet sy ny niomerika, ankehitriny. Ho an’ny mpahay toekarena, Andrianantoanina Jonah, sady mpanorina ny Von­dron’ ny mpandinika ara-toekarena eto Madagasikara (Crem), « andry iankinan’ny fidiran’i Madagasikara amin’ny Revo­lisiona indostrialy faha-4 ny volavolan-dalàna vaovao. Mba hisitraka ny fihariana manodidina ny Faharanintan-tsaina artifisialy (IA) sy ny teknolojia niomerika i Madagasikara ». Nohazavainy fa « voafetra ihany, hatreto, ny fampiasana sy ny fisitrahana ny teknolojia niomerika. Satria, na efa ma­hatratra 81% aza ny tahan’ny fandrakofan’ny tambajotra 3G sy 4G eto amintsika, mbola ny 14,3% monja amin’ ny mpo­nina no nampiasa internet tamin’ny finday ny taona 2025, araka ny Vondrona orinasa mpampiasa fifandraisan-davitra (GSMA). Fanamby lehibe, araka izany, ny fahazoana internet matanjaka sy mora vidy.
Ho an’ny mpahay toeka­rena Andrianantoanina Jonah, « maika ny fanavaozana ny lalàna, izay efa tamin’ny taona 2005 no nipetraka. Tamin’ny taona 2010 vao nipoitra marobe ny fifanakalozam-bola ta­min’ny finday (mobile money), izay efa mihoatra ny 24 tapi­trisa ny kaonty mampiasa azy, ankehitriny. Tsy mifanaraka amin’ny tena zava-misy in­tsony ny fepetra tamin’ny 2005 milaza fa orinasa efa miasa any amin’ny firenena 10 fara fahakeliny, manana mpanjifa miisa 100 tapitrisa, no omena fahazoan-dalana ».
Hahatratra 4 100 miliara Ar

Miisa dimy ny volavolan-dalàna vaovao aroson’ireo mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra. Ao anatin’ izany ny hisian’ny Artec tena mahaleo tena tokoa, ny fifampizarana fotodrafitrasa hampihenana ny fandaniana, sns.
Araka ny vinavinan’ny GSMA, hahatratra 4 100 mi­liara Ar ny harin-karena faobe (PIB) fanampiny amin’ny taona 2031, manome 3,3%. Hiteraka asa 330 000. Sehatra hahazo tombony ny fambolena sy ny varotra. Ilaina koa ny mangarahara amin’ny fitantanana ny famatsiam-bola FDC avy amin’ ny Tahirimbola iraisam-pire­nena (FMI) mahakasika ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’ andro.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: