FANTINA sy FINTINA

Hiditra amin’ny fiaraha-miasa vaovao i Mada­gasikara sy i Chine, araka ny fihaonan’ny ambasadaoro vaovaon’i Chine eto Madagasikara, i Liu Wei, tamin’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, teny Faravohitra, ny faran’ny herinandro teo. Hanohana an’i Madagasikara amin’ny fikarohana ireo teratany sinoa 11 nitsoaka ny fonja i Chine. Nisy koa ny fifanakalozan-kevitra handrindrana ny fifanarahana iraisam-pirenena amin’ireo firenena hafa, indrindra i Etazonia.
Nitsidika ara-pomba fanajana ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, teny Faravohitra, ny faran’ny herinandro, ny mpanolotsaina ara-teknikan’ny Biraon’ny Firenena mikambana miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava (ONUDC), i Wendy O’Brian. Voaresaka ny ezak’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny heloka ana habaka sy ny fampiharana ny fifanarahana iraisam-pirenena. Vonona hanohana ny dingana hahatanteraka izany ny ONUDC.
Voafidy ho filohan’ny Association des Maires des Grandes Villes de Madagascar (AMGVM), ny ben’ny Tanànan’ Antsiranana, i Djavojozara Jean-Luc, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Niarahaba sy mirary fahombiazana ho azy amin’izany andraikitra vaovao izany ny filohan’ny Delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ralambomanana Feno. Firariany ny hahatanteraka ny vina sy ny ezaka iombonana, ka ho hery manosika ny fiaraha-miasa.

Partager sur: