Anisan’ireo boky nitondra ainga sy hery ary fahalalana vao eo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina ny « Hariivo ». Fantatra, omaly, fa hivoaka mialohan’ny faran’ ity taona 2026 ity ny laharana faharoa. « Tsy manalavitra ny tontolon’ny valiha sy ny zava-miafina ao aminy ny Hariivo II. Hampiavaka azy kosa ny hamaroan’ny fahalalana azo rantovina voarakitra ao anatiny… », hoy ny mpanoratra sy ny mpitantana ny Zanabaliha ary ny Valiha Académie, izay hiantsoroka ny famoahana.
Hisongadina ao anatin’ny « Hariivo II » ny famoaboasana lalina momba ireo tsiambaratelon’ny valiha. Tahaka izany ihany koa ny tontolon’ny fitendrena. « Marihinay hatrany fa tsy ampy ny fahaiza-mitendry fa ilaina koa ny mahalala ny fototra. Manomboka tsy tazana intsony, ohatra, ny mpitendry valiha mahay ny velombaliha maty 5. Noho izany, adidy ny mampahafantatra izany », hoy hatrany ny mpitantana ny Valiha Académie na Toeram-pikarohana sy fampianarana momba ny zavamaneno mandia ny faha-32 taona niorenany ankehitriny.
Iray amin’ireo mampiavaka ny « Hariivo II » ny fampianarana mitendry valiha manaraka ny fomba fampianarana mozika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. « Noho izany, afaka milahatra tsara eo amin’ireo boky fampianarana mozika nosoratan’ny vahiny ity boky ity raha ny vontoatiny no jerena », hoy ny mpanoratra.
HaRy Razafindrakoto





