TARATRY ny KANTO

« Teny malagasy, asa soratra, IA ». Io ny lohahevitra ihodinan’ny velakevitra izay hotontosaina ny zoma 27 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny efitrano Rado, Tranombokim-pirenena Anosy. Tafiditra anatin’ny fanombohan’ny fandaharam-potoan’ny « Mafagaslam Festival 2026 » izy ity.

« Tsiahy an’i Tôta ». Fiarahana manaraka aha­tsiarovana ilay andrarezin’ny gitara beso sy ny fandrindrana, ny alakamisy 26 novambra izao, etsy aminy Piment Café Behoririka, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany . Hifarimbona amin’izany ry Silo, Harty, Nyns, Tsanta Ary Poun.

Miranty any amin’ny Cleveland Museum of Arts any Etazonia ny hailamba Merina. Misy ny fampirantiana ny 6 desambra izao ka hatramin’ny 7 desambra 2027. « Stunning Patterns : Woven textiles from Madagascar’s Merina Kingdom », ny lohahevitra amin’ izany.

Partager sur: