Nahitana fatin-dehilahy tao amin’ny fokontany Mahaditra-Andohatany, faritra Matsiatra ambony, afakomaly.
Tsy nisy hoditra, taova ary filahiana intsony ilay maty. Karan-doha sisa tavela teny aminy. Hatramin’izao, tsy mbola voafaritra mazava ny anton’ity tranga ity saingy anatin’ny famotorana tanteraka ny mpitandro filaminana. “Tena nisy ity tranga ity fa ny nahatonga azy no mbola tsy fantatra. Na ny dokotera aza mbola anatin’ny fizahana sy mamantatra izany”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Ao koa ireo milaza fa misy nangalatra ny volin’ity lehilahy ity any an-tsaha. Nanapa-kevitra ny hiambina izany izy ny alina ka izao hita faty izao.Tsy nisy ra niparitaka teo amin’ny toerana nahitana ny vata-mangatsiaka ary efa amam-bolana ny fijery azy, hoy hatrany ireo nanatri-maso.
Henintsoa H.