Hetsika maneran-tany ny fametrahana fiaraha-mientan’ny sehatra tsy miankina ho an’ny miralenta sy ny zo ara-pananahana. 27 ny mpikambana amin’izao fotoana izao ary 10 ny orinasa mpamaky lay. Afaka nanampy mpiasa 800 000 isa izy ireo, ny taona 2025.
Nivory omaly, teny Ambodivona, ny filoha lefitry ny fivondronan’ny orinasa malagasy (GEM), ireo mpitarika fikambanan’ny orinasa, fiombonan’ny mpitantana orinasa, mpitantana orinasa afakaba. Hametraka sehatra nasionaly, ahitana ny sehatra tsy miankina hivoy sy hampihatra ny miralenta sy ny zo ara-pananahana eny anivon’ny orinasa eto Madagasikara ny tanjona. Manohana ara-teknika sy manao tantsoroka izany ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) eto Madagasikara.
Nandritra ny antso natao ho an’i Madagasikara manokana, ny volana avrily 2025, orinasa sy vondrona orinasa 21 no nanao sonia izany ka tanjon’ny fihaonana omaly ny hametraka amin’ny fomba ofisialy ny Vovonana nasionalin’ny sehatra tsy miankina malagasy.
“Zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny sehatra tsy miankina ary vonona ny UNFPA hanampy ny orinasa malagasy hanatsara ny toe-piainan’ny mpiasa, vehivavy, hitondra fampandrosoana ny toekarena amin’ny ankapobeny”, hoy ny filoha lefitry ny GEM, Andriantefihasina Hary. Hametraka drafitrasa iraisana izy ireo, hotanterahina amin’ny taona 2027 ho an’ireo orinasa manaiky ny handrafitra ny fiaraha-mientana hampihatra ny miralenta sy ny zo ara-pananahana.
Misy ny orinasa efa mijery manokana ny toe-piainan’ny vehivavy ao anatin’ny toeram-piasany eto Madagasikara ka anisany ny AFG Bank, Vitogaz, Star, Orange… Rehefa voakarakara manokana ny vehivavy, mitombo hatramin’ny 22% ny famokarany ary mihena be ny fotoana tsy ahafahany miasa. Ahafahana misoroka ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG) anatin’ny asa koa izany. «Anisan’ny olana sedrain’ny vehivavy indrindra ny mpandraharaha ny miralenta ka izay no ilaina ny fidirana amin’ny fiaraha-mientana ahitana ny marimaritra iraisana. Satria, manana andraikitra betsaka izy ireo», hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny orinasa malagasy, Tsiranana Fiona.
Vonjy





