Notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny Ankorondrano, ny fivoriamben’ny Federasiona malagasin’ny badminton. Taorian’ny tatitra moraly sy teknika ary ny ara-bola nandritra ny taom-pilalaovana 2025-2026, nomen’ireo ligy telo Analamanga, Alaotra Mangoro ary Vakinankaratra fankatoavana “quitus” 100 % ny komity mpitantana ny federasiona. Tsy tonga nanatrika kosa ny ligin’Atsinanana. Fantatra fa hitsangana amin’ny taona ho avy ny ligin’i Matsiatra Ambony, ho an’ny taona 2027. Ankoatra izany, miandry ny federasiona ho an’ny taona ho avy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, kasaina hatao ny volana febroary, saingy mbola baraingo ny mety ho fandraisan’ny Malagasy anjara. Mandra-piandry izany, notontosaina nandritra izany koa ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy “senior”. Mbola tsy niala teo am-pelantanan’i Toky, ho an’ny sokajy lehilahy sy i Stephania, eo amin’ny vehivavy, ny anaram-boninahitra ho an’ny sokajy “série A1”. Izy ireo izay samy mpilalaon’ny MB2 All Analamanga avokoa.
Tompondaka





