Marefo amin’ny rivodoza : Nofaritana ny asa antsoroka hatao

Mbola tsy azo hihodivirana ny mamparefo ny faritra Sava amin’ny loza sy ny tandindony, indrindra amin’ny rivodoza. Matetika, mametraka olana amin’ny fiainana andavanandron’ ny mponina ny fiantraikany. Antony iray hanaovana ny fandalinana ny faharefoana sy fanangonana ireo tahirin-kevitra avy amin’ireo herivelona ao amin’ny distrika any an-toerana. Ahafahana manana angon-drakitra iraisana hamaritana ny asa antsoroka tokony hatao izany.
Nofantarina tao anatin’ny atrikasa ireo ka namaliana fanontaniana maromaro toy ny hoe: inona ny misy? Inona ny tsy misy? Inona ny tokony hatao? Inona ny lesoka ho hatsaraina. Zava-dehibe ny famantarana ireo distrika tena mila izany ka ireo angon-kevitra voaangona amin’ity atrikasa ity no afaka mamaritra izany, ary azo hampiharina avy hatrany.
Fiaraha-miasa akaiky amin’ny Pam, Croix Rouge Mala­gasy, FAO no nanatanterahina ny atrikasa. Nanao ny tantsoroka kosa ny BNGRC, amin’ny maha mpandrindra ny asa rehetra momba ny tandindon-doza sy ny loza azy eto Mada­gasikara.

Vonjy

Partager sur: