INDRAY MIJERY

Notanterahina tamin’ity herinandro ity, teo anivon’ny oniversiten’Antananarivo, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ny komity nasionaly misahana ny Codex Alimentarius (CNCA). Tafiditra ao ny hampiroboroboana ny fikaro­hana ara-tsiansa, ny fanamafisana ny fiarovana ara-pahasalamana ny kalitaon’ny sakafo vokarina eto Mada­ga­sikara ary ny fifampizarana traikefa. Dingana iray amin’ny fampifandraisana ny tontolon’ny fikarohana sy ny sehatry ny fiarovana ny sakafo eto Madagasikara izany.

Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sehatra niomerika e-Courrier ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, nofanina ireo solontena avy amin’ny oniversite, IST ary ireo ivontoeram-pikarohana. Tafiditra ao anatin’ny politikam-panafainganana ny fampiasana ny teknolojia niomerika eo anivon’ny minisitera ho fanamorana ny fikarakarana sy fanaraha-maso ny antontan-taratasy izy io. Ho fanatsarana koa ny kalitaon’ny tolotra omena ireo mpisitraka.

Nanao fampitandremana momba ny toetry ny andro mety hanamora ny fiparitahan’ny afo ny foibe famantarana ny toetry ny andro, ho an’ity herinandro ity. Ho an’ny anio, ny faritra manontolo ankoatra ny any Androy, Anosy ary ny afovoantany no faritra ahitana toetry ny andro manamora ny fiparitahan’ny afo. Ny fampitandremana dia manome vaovao momba ny toetry ny andro mety hanamora ny fipoirana sy ny fiparita­han’ny afo mandritra ny dimy andro.

Partager sur: