Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2026» : Nomen’i Iaro mpanao Rallye 10 tapitrisa Ar ireo tompondaka

Tsy niala fa nanotrona ny ekipam-pirenena malagasin’ny tsipy kanetibe hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany i Iaro Razanakoto, mpanao Rallye mipetraka any Thaïlande. Nitsena teny amin’ny seranam-piaramanidina, avy eo nanome vola ho fankasitrahana noho ny maha tompondaka maneran-tany ny ekipam-pirenena.

Mpanohana voalohany naneho fankasitrahana ny fandresen’ny ekipam-pirenena malagasin’ny tsipy kanetibe, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka ma­neran-tany “Mondiaux 2026”, natao tany Thaïlande, Raza­koto Iaro. Izy izay mpanao Rallye mipetraka any an-toerana. Ora vitsy taorian’ny fahavitan’ny lalao famaranana, ny talata lasa teo, nanolotra lelavola 10 tapitrisa Ar ho an’izy dimy mirahalahy ny tenany. Nahitana ny mpilalao efa-dahy: i Lova, Liva, Balôty ary i Tendry, miaraka amin-dRa­tsim­ba Hery, mpanazatra. Ankoatra izany, noraisiny tao an-tokantranony, tany Thaï­lan­de, ny delegasiona malagasy sy ireo mpiray tanindrazana miasa any an-toerana. An­koatra an’i Iaro, efa niarahaba izao fandresena miezinezina azon’ny tsipy kanetibe izao koa ny filohan’ny Fana­vao­zana ny Repoblika malagasy, ny kolonely Randrianirina Mi­ckaël.
Tsiahivina fa anisan’ireo nijery sy nanatrika ny famaranana nikatrohan’ny Malagasy sy i France, tao amin’ny Kianja Khon Kaen, i Baggio Nomen­janahary, mpilalaon’ny Barea teo aloha. Raha hiverenana ny dingana vitan’ny Malagasy nandritra ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026 ity, faharesena tokana ihany no hany nihatra tamin’i Madagasikara dia ny teo anatrehan’i Thaïlande, tany amin’ny fihodinana fahadimy, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona. Ekipa afrikanina daholo kosa no resin’ny Mala­gasy nanomboka teo amin’ny ampahavalon-dalana ka hatrany amin’ny ankatoky ny famaranana. Nandresy an’i Algerie, 13 no ho 0, teo amin’ny ampahavalon-dalana. Nanilika an’i Senegal, 13 no ho 12, nandritra ny ampahefa-dalana ary nandavo an’i Burkina Faso, 13 no ho 6, teo amin’ny manasa-dalana.

Tompondaka

Partager sur: