Fikambanana AHBOI : Lany ho SG ny filohan’ny FMHB

Notontosaina omaly, tao amin’ny Gymnase Couvert de Phoenix, Nosy Maurice, ny fivoriambe ara-potoana sy fifidianana izay ho biraon’ny fikambanan’ny taranja handball aty amin’ny ranomasimbe Indianina, AHBOI. Voafidy ho sekretera jeneraly, tamin’izany, ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny handball, Ra­tsimandao Andriamanga He­rilovasoa. Mbola voafidy hitantana izany fanintelony indray i Hairoudine Anzizi, filohan’ny Federasiona ao Mayotte. Tsiahivina fa mizotra sy mandeha any an-toerana, ankehitriny, ny fifaninanan’ireo klioba aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CCOI). Manana solontena amin’izany i Ma­dagasikara dia ny Littoral SC, ho an’ny lehilahy, ny THBC sy ny My-Sah kosa ny an’ny vehivavy.

F.R

Ireo mpikambana AHBOI

Filoha: Hairoudine Anzizi (Mayotte).
Filoha lefitra: Norbert Dogley (Seychelles).
Sekretera jeneraly: Andriamanga Ratsimandao (Malagasy).
Mpitantana ara-bola: Astride Niobe (La Réunion).
Mpikambana : Emmanuel Joasa (Malagasy), Salim Moustoifa (Comores), Elhadi Halifa (Comores), Claude Lacaille (Réunion), Rose Sinon (Seychelles), Nidalle Maoulana (Mayotte), Philippe Boudou (Maurice), Dorine Isabelle (Maurice).

Partager sur: