Ambohidratrimo : jiolahy efatra voasambotra

Efa-dahy mpangalatra akoho amam-borona tra-tehaky ny zandary nanao fisafoana ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 1 marsa teo. Nisy nampandre ny mpitandro filaminana fa misy olona misokitra ny trano ao amin’ny fokontany Fiakarana, kaominina Anosiala. Teo am-panantontosana ny fisafoana, namaly avy hatrany ny antson’ireo lasibatra ny zandary. Tonga teo an-toerana, raikitra ny fifanjevoana. Nanao tongotra an-katoka ireo mpamaky fisoko. Tsy lasa alavitra, voasambotra izy efa-dahy. Sarona teny amin’izy ireo ny akoho amam-borona nangalariny. Gisa dimy, gana telo. Nentina nihazo ny biraon’ny zandary atao fanadihadiana izy ireo. Niaiky heloka, notanisain’izy efa-dahy avokoa ny tokantrano efa nangalaran’izy ireo. Naverina tamin’ny tompony ireo vorona halatra.

Tsiferana R.

Partager sur: