Zazavavy nampijaliana: raikely sy ny reny niteraka naiditra am-ponja

Habibiana mihoapampana ny nataona renim-pianakaviana iray sy ny vadiny nahavita nidaroka mafy ny zanany vavikely vao efa-taona monja. Naratra mafy ilay zaza, nalefa eny am-ponja vonjimaika kosa ny reniny sy rangahy vadiny.

Miandry ny fotoam-pitsarana azy ao amin’ny fonjan’ Am­ba­tolampy nanomboka ny alarobia teo ireo mpivady nikapoka sy nidaroka zazavavikely efa-taona. Nobedesina sy noraràna tsy hihinana sakafo omen’olona ity zaza ity saingy mbola nihinana ihany. Izay no voalaza ho nahatonga azy ireo nikapoka azy. Ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 4 ora hariva teo, nahazo antso tamin’olona ny polisim-pirenena. Voalaza tamin’izay ny herisetra ara-batana natao an’ilay zazavavikely monina ao amin’ny fokontany Bema­soandro Atsinanana. Araka izany, nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana. Hita tokoa fa feno ratra ny tarehin’ilay zaza. “Mangana sady nivonto ny masony noho ny daroka nataon’ny raikeliny azy”, hoy ny polisy. Voasambotra teo noho eo ilay lehilahy ka natao fanadihadiana teny amin’ny kaomisaria. Ilay zaza kosa nentina vonjimaika teny amin’ny hopitaly. Ankoatra ireo ratra sy fivontosana tamin’ny masony, hita fa tapaka ihany koa ny tanany havanana ka mety hoentina eto an-drenivohitra izy hanohizana ny fitsaboana azy.

Tsy vao sambany
Fantatra tamin’ny fanadihadiana an’ilay raikely fa nikasi-tanana an’ity zaza ity koa ny reniny niteraka azy. Matetika mihitsy aza, raha ny filazan’ireo mponina eny amin’ny manodidina. Nambaran’ ilay reniny tamin’izay fa norarany tsy handray sakafo aman’olona ity zanany saingy mbola nandray izany ihany. Antony nahatonga ity herisetra natao an’ity tsy manan-tsiny ity. Samy niaiky ny heloka vitany ireto mpivady ka niakatra fampanoavana ny alarobia teo.
Mahazo vahana tato ho ato ny herisetra atao amin-jaza. Ankizivavikely 9 taona no nisy nanolana ny talata teo, tao Maevatanana. Olom-pantatry ny reniny ihany ilay voatondro ho nahavanon-doza. Tsy hita nanomboka ny alatsinainy teo io zaza io, ny alin’’io, nampandre ny mpitandro filaminana ny reniny. Ny talata tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany maraina niverina teny amin’ny polisy ilay renim-pianakaviana nilaza fa efa hita ilay zanany. Voaolana anefa izy ary olom-pantatra nitondra azy ihany ilay nahavanon-doza. Ankoatra azy, ankizivavikely 8 sy 11 taona koa no nisy nanolana tany Ambodigavo-Lakato, distrikan’i Mora­manga. Ankizi­vavy iray hafa 14 taona koa no voaolana tao Tsaralalana- Moramanga. Sa­my mitsabo tena ao amin’ny hopitaly ao an-toerana avokoa izy telo vavy ireto.

Henintsoa Hani

Partager sur: