Anosibe : mpanao trano handeha hiasa voaendaka

Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahelamana eny Anosibe sy ny manodidina raha tsy hilaza afa-tsy ny eny Mandrangobato I. Raim-pianakaviana iray handeha hiasa vao maraina no nendahin’ny jiolahy omaly teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eo Mandrangobato I. Tsy vitan’izay fa voatsatoka antsy teo amin’ny kibony izy tamin’io fotoana io. Voalaza fa mpanao trano ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Nitondra kitapo teny am-babena niaraka tamin’ny fitaovam-piasany izy no nifanehatra tamin’ireo jiolahy. Nihevitra ireo jiolahy fa entana sarobidy no tao anatin’ity kitapo nentiny ka nendahin’izy ireo. Voalaza fa telo lahy ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Ny roa lahy nisintona ny kitapo teny aminy, ny iray kosa nanindrona antsy ny kibony. Andeha hanamboatra trano eny 67 ha izy kanjo naratra mafy noho ny asa ratsin’ireo olon-dratsy. Lasa nitsoaka nihazo ny lalana mankany Namontana ry zalahy rehefa avy nandratra ilay niharam-boina. Olona teo amin’ny manodidina nahita ilay raim-pianakaviana nihosindra kosa no nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Avotra soa aman-tsara ihany anefa izy na teo aza ny ratra mafy nahazo azy.
Tsy vao izao fa isan’ireo faritra mampitaraina ny maro mihitsy amin’ny tsy fandriampahalemana iny faritra iny. Ireo mpiantsena vao maraina no tena mitondra faisana. “Tsy sahy mandeha irery mihitsy aho rehefa miantsena maraina eny Namontana fa tsy maintsy miaraka amin’ny namako satria matahotra mpanendaka”, hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray mpiantsena eny Namontana.

Jean Claude

Partager sur: