Anjozorobe : dahalo telo lahy mpangalatr’omby lavo

Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny fokontany Beanana, kaominina Androvakely, distrikan’ Anjozorobe ireo malaso telo lahy nangalatr’omby. Nanao ity asa ratsiny ity tao Antanimenakely, fokontany Ambohitsaratany, ny alahady teo ireto dahalo. Tsy nipetra-potsiny manoloana izany ny zandarimaria avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ime­rina centrale. Raikitra ny fanarahan-dia sy ny fiambenana ireo kizo. Vokany, tafaverina tamin’ny tompony nandritra izany ireo omby 15 isa tamin’ireo 25, norobaina ny alatsinainy teo. Nitohy ny hetsika. Omaly, nifanehitra teo anelanelana Mierama­so­andro sy Ankidonona indray ireo dahalo sy ny zandary. Raikitra ny fifanjevona. Lavo tamin’izay izy telo lahy, azo teny amin’izy ireo ny basim-borona nampiasainy. Omby efatra tamin’ireo nangalarina ihany koa no tratra tamin’io fotoana io. Ankehitriny, omby mitotaly 19 ireo omby very tafaverina amin’ny tompony.

Henintsoa H.

Partager sur: