Tsy very ny lisi-pifidianana vao nohavaozina ny volana oktobra 2022 lasa teo, tao amin’ ny biraom-pokontany Ambanimaso, kaominina Anosizato Andrefana. “Ireo lisi-pifidianana tamin’ny taona 2011 atao hoe lisitra vakiraoka no lasan’ny mpangalatra niaraka tamin’ireo entana sy fitaovana fampiasa tao”, hoy ny sefo fokontany ao Anosizato Ambanimaso, Raharimanana Emilienne raha nanontaniana omaly. « Tsy misy fiantraikany amin’ny fifidianana hatao amin’ny taona 2023 ny fahaverezan’ireo lisi-pifidianana ireo », hoy hatrany izy. Efa lasa any amin’ny Ceni ny kopian’ireo fanavaozana ny lisitra rehetra sy ny fanisana ireo mponina eny anivon’ny fokontany ka tsy tokony hampanahy, raha ny nambarany hatrany.
Efa nisy ny fepetra noraisina manoloana ireo tsaho miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera, momba ny fahaverezan’ny lisi-pifidianana. Efa nisy ny tatitra am-bava, fihaonana tamin’ireo tomponandraikitra maro samihafa nataon’ny fokontany taorian’ny fahavakisan’ny birao, ny herinandro lasa teo, toy ny zandarimariam-pirenena sy ny kaominina ary ny fitsarana.
Afaka madiodio ny andrimasom-pokonolona voarohirohy
Niakatra fitsarana, afakomaly, ny raharaha famakiana ny biraom-pokontany eny an-toerana. Niatrika ny fampanoavana ireo andrimasom-pokonolona voarohirohy tamin’ izany. Afaka madiodio izy ireo, raha ny fanazavana nataon’ny sefo fokontany hatrany.
“Tsy mahasehaka ny fanaraha-maso ny tanàna iray manontolo ireo andrimasom-pokonolona ireo”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa andrasan’ izy ireo avokoa ny fokontany iray manontolo. Mandeha manara-maso ny zava-misy rehetra eo anivon’ny tanàna iray manontolo mihitsy izy ireo. Voalaza fa nohararaotin’ireo jiolahy ireo nanaovany ny asa ratsiny ny fotoana nihodinan’ ireo tanora ireo tany an-kafa.
Marihina fa novakian’ireo jiolahy ny faritra tany ambadiky ny fokontany. Tsy sahy namaky ny varavarana izy ireo, araka ny fanazavana voaray. Mbola mitohy hatrany ny fikarohana ireo jiolahy. Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny fokontany mandritra izany.
Mino (mpianatra asa)




