Ankalazaina anio 3 marsa ny Andro eran-tany ho an’ny biby sy ny zavamaniry. Fomba entina hiarovana azy ireny ny fametrahana ny Faritra arovana, izay efa miisa 123 eto Madagasikara. Niforona ny Vondrona firaisankinan’ireo mpisehatra amin’ny faritra arovana, hampahafantatra ny fahombiazany avy.
An-taonany maro ny manam-pahaizana malagasy an’arivony avy amin’ny governemanta, ny fikambanana tsy miankina, ny vondron’olona ifotony niara-niasa tamin’ny fametrahana sy ny fitantanana ireo toerana manan-danja ireo. Mihasarotra anefa izany noho ny haratsian’ny toekarena eto Madagasikara, ka sarotra ny hanohizana ny asa. Tsy hita loatra ny vokatra, fa mitohy ny fanimbana ny harena voajanahary, toy ny fandripahana ny ala, ny doro ala sy doro tanety.
Izay no antony nananganana ny vovonana Vondrona firaisankina ho an’ny faritra arovana (Coap). Satria misy porofo marobe ahalalana fa afaka mitondra fiovana mankany amin’ny fampandrosoana maharitra ny faritra arovana amin’izao taonjato izao. Toy ny any amin’ny faritra Melaky, ohatra, niverina indray ankehitriny ny vorona Ankoay sy ny karazany hafa mivelona amin’ny farihin’i Mandrozo, anisan’ny tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Tanteraka izany vokatry ny fametrahana lalàna iombonana mifehy ny jono, ny fanaraha-maso ny farihy nataon’ny Vondron’olona ifotony.
Tsy nihinana varika intsony
Ny taona 2010, fanaon’ny mponina manodidina ny faritra arovana Beanka, faritra Melaky, ny mihinana varika. Nentanina handray anjara amin’ny tetikasa fiompiana akoho amam-borona izy ireo. Nitombo ary nihamaro ny varika Eulemur rufus, nahatratra 5.400 ny isany (niampy 1.300) ary niampy 2.500, tafakatra 11.400 ny Prothithecus deckenii ny taona 2022.
Nilaza ny tale jeneralin’ny fitantanana ny Tontolo iainana (DGGE), Razafindrabe Rinah, ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, fa maro ireo mpikambana ao anatin’ny Vondrona firaisankina mampahafantatra ny tantaram-pahombiazany misy, mba hanentanana ny fampiasam-bola any amin’ireo faritra arovana, mba hitondra fanovana azy. Ankoatra ny fiarovana ny zavaboahary, eo koa ny fampihenana ny fahantrana ho an’ny vondron’olona ifotony, mitondra fampandrosoana ara-toekarena maharitra eny an-toerana sy ho an’ny faritra.
Njaka Andriantefiarinesy




