Natomboka omaly 1 marsa 2023 tany Mahajanga ny fisokafan’ny fotoam-panjonoana, vanim-potoana 2023. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy izany tamin’ny fampiasana ireo sambo mpanara-maso momba ny jono indostrialy. Manantena hahavita ny hihoatra ny vanim-potoana talohan’ izao ireo mpandrahara.
Ny jono makamba no tena ifantohana, hamenoana ny volam-panjakana. Raha 2,075 miliara Ar ny vola narotsak’ ireo mpandraharaha tamin’ny 2020, tamin’ny 2022, nisy 13,081 miliara Ar. 3332 t makamba naondrana tamin’ ny taon-dasa, mahita 3 600 t makamba aza ny minisiteran’ ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) naondran’ireo orinasa nahazo alalana. Voalaza fa 108,5 miliara Ar ny vola nihodina avy amin’ireo, araka ny tatitra navoakan’ny minisitera (MPEB). Toa efa voavaha ny olana nisy teo amin’ireo mpandrahara sy ny mpitantana, izay noheverina niteraka fatiantoka 80 tapitrisa dolara. Ny fepetra noraisina momba ny vanim-potoana 2023, ny jono makamba manampy betsaka amin’ny fampivoarana ny toekarena.
Sehatra azo anjakan’ny kolikoly, indrindra ny jono makamba. Koa adidin’ny Malagasy ny miaro ny tombontsoany sy ny fireneny.
Ndrina




