Saron’ny polisy tao amin’ny ANS Ampefiloha, omaly, ireo tovolahy nangalatra entana mpianatra. Tsy miasa izy roa lahy. Tsy ampy taona ny iray. Naharay antso avy tamin’ny fibaikoana ny hery vonjy taitran’ny polisy ny kaomisaria ao amin’ny boriborintany fahefatra. Voalaza tamin’izay ireo entana mpianatra very. Nisokatra tamin’izay ny famotorana. Nandefa polisy nanao fanamiana sivily ireo mpitandro filaminana. Tovolahy roa no hita nanao fihetsika hafahafa. Natao fanadihadiana izy ireo, mbola tratra teny aminy ny kitapo nisy vola, akanjo sy kojakojam-pianarana. Toa ny boky, ny finday ary vola 50.000Ar. Mbola nanda ny halatra izy roa lahy. Tsy nanan-kavaly kosa izy ireo momba ireo entana tra-tehaka rehetra. Tonga nanamarina izany ireo mpianatra rehefa nentina tamin’ny kaomisarian’Isotry ireo mpangalatra. Fantatra tamin’izay fa monina etsy Ampefiloha iretsy mpanao ratsy.
Henintsoa H.