Voaheloka higadra 8 volana an-tranomaizina, miampy lamandy enina alina sy roa hetsy, omaly, ny lehilahy iray. Nangalatra volan’ny mampiasa azy tetsy 67 Ha izy. Roa lahy ny mpiambina no nijanona tao an-tsena. Nilaza hody ilay mpangala-bola tamin’ny alina nahaverezan’ny vola. Nisy fotoana anefa, niserana tao an-tsena izy.
Noho ny maraina, nisava ny kitapo misy ny vola ny tompontrano. “Enina alina sisa navelany tao”, hoy ny tompon-tsena. Tsy hita popoka intsony nanomboka teo ilay mpiasa iray. Nifampitadiavana izy saingy tsy nahitam-bokany. Iray volana taorian’ny fahaverezan’ny vola, hitan’ny olona io lehilahy io. Nampandre ny zandary ilay mpivarotra lasibatra.
Noraisim-potsiny ilay mpiasa nandositra. Natao fanadihadiana izy saingy nandà. Naiditra am-ponja vonjimaika. Niakatra fitsarana omaly. Nivoaka ny didy. Tsiahivina fa ny volana septambra 2022 no nangala-bola tao an-tsena ity lehilahy ity.
Tsiferana R.