Raha miteraka resabe ny politika sy ny tontolony eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Miroso tsimoramora kosa ny sehatra diplomatika. Manao ranolava ny fihaonan’ireo tomponandraikitra malagasy sy ny lehiben’ny masoivoho vahiny eto amintsika. Tsy sakana tsy hivelarana rahateo ny disadisa politika anatiny. Taratry ny fahavononan’ny firenena vahiny, manohana ny vahoaka malagasy izany.
Mifanindran-dalana amin’izay, tapa-kevitra ihany ny fitondrana fa hametraka amin’izay ny ambasadaoro malagasy any ivelany. Raha ny fantatra, efa any amin’ny filoham-pirenena, efa voaresaka tanatin’ny filankevitry ny minisitra farany ny anaran’ izay hisolotena an’i Madagasikara. Miandry ny fankatoavan’ny firenena handray azy ireo anefa izany.
Iaraha-mahalala, misy tombony betsaka ho an’ny firenena ny fananana ambasadaoro any ivelany. Indrindra anatin’ny vanim-potoana mampamaivay ny raharaha politika maneran-tany. Hatreto, tsy misy mipika ny toerana andefasana azy ireo fa ny hany fantatra dia ny firenena efa manana ambasady eto Madagasikara no loha-lisitra. Tanjona ny hanamafisana misimisy kokoa ny fiaraha-miasa satria anatin’ny vanimpotoana tena ilàn’i Madagasikara fanampiana izao.
Na inona na inona ho lazaina, tsy mbola mahazaka tena irery ny firenena malagasy amin’ny lafiny rehetra. Marina fa manan-karena voajanahary isika, manana ny tena maha izy azy, kanefa tsy mbola mahaleotena araka ny tokony ho izy. Tsy maintsy miankin-doha amin’ny sehatra iraisam-pirenena isika. Porofo mivaingana ny mikasika ny resaka fifidianana. Mihitsoka ny zava-drehetra fa tsy mivoaka ny volan’ny mpiara-miombon’antoka.
Anisan’ny ezaka takina amin’ny lehiben’ny diplaomasia malagasy sy ambasadaoro aparitaka any ivelany mazava ho azy, ny fahitana lalam-bola ho enti-miasa sy miatrika ny filan’ny firenena. Mety hisy ifandraisany amin’izay ny fivahinianana ataon’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Ramatoa Sylla Yvette any Qatar, mandritra ny folo andro be izao. Tsy afaka ny hiolonolona rahateo isika, na ilay maha nosy fotsiny aza.
Sehatra iray, iankinan’ny ain-dehibe amin’ny ho avin’i Madagasikara ny diplaomasia. Iaraha-mahalala fa efa kofona isika amin’izao fotoana izao. Mila hery sy angovo vaovao ho enti-miatrika ny taom-pifidianana ny mpitondra izay fitaratry ny vahoaka. Taon-trano tsy efan’ny irery ny tontolo politika, toekarena, sosialy, sns…eto amintsika.
Singa bitika dia bitika anatin’ny manontolo goavambe, antsoina hoe « izao tontolo izao » ity Nosy ity. Anisan’ny firenena mahantra fadiranovana indrindra maneran-tany. Ambany ny taham-pamokara, hiatrehana ny filàn’ny mponina. Mazava be, anisan’ny firenena marefo isika, mila vonjy sy tolo-tanana. Na izany na tsy izany, efa misy ny ezaka avy ato anatiny. Miroso tsikelikely ny zava-drehetra.
r.r