Fahasalaman’ny daholobe: napetraka ny komity handrindra ny asa eny ifotony

Mbola maro ny olana momba ny fahasalamam-bahoaka  mahakasika ny so­kajin’olona rehetra. Mila fanavaozana ny rafitry ny fahasalamana mba hisitraka tolotra manana kalitao ny daholobe.
Napetraka, omaly, teny Ankorondrano, ny komity hanatsara ny rafitry ny fa­hasalamana eto Mada­ga­si­kara. Iarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­ho­aka sy ny mpanohana eo amin’ny lafiny vola sy teknika izany. Tanjona ny hanatsara ny tolotra ara-pahasalamana. Torak’izay ny ahazoan’ny daholobe fikarakarana rehefa tsy salama, indrindra ny any amin’ny toerana lavitra. «Hivondrona ao anatin’ny komity ny sehatra samihafa misahana ny fahasalamana. Harindra sy mba hitovy ny tolotra homena amin’ ny toerana iray. Tsy maintsy misy ny fampitoviana fijery miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka. Teo aloha samy manao izay tiany amin’ny toerana no­safidiany ny tsirairay», hoy ny minisitry ny Faha­sa­lamam-bahoaka, ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo.
Misy paikady tsy maintsy averina dinihina tsara fa tsy nandeha mihitsy tamin’ ny fanatanterahana ny CSU. Izay no ilàna ny fametrahana ny komity handrindra ny asa sy ny paikady,araka ny fanamarihan’ny minisitry hatrany.
Nitondra vokatra tsara ho an’ny ady amin’ny aretina tazomoka ny fanitsiana ny paikady, niarahana tamin’ny mpamatsy vola satria nidina ho 40% ny tahan’ny aretina any amin’ny distrika sasany.
Voalaza fa ahafahana mametraka fanatsarana ny rafitra, mila jerena ny fotodrafitrasa, ny mpiasa mampihodina ny toeram-pitsaboana, ny fanafody sy ny fitaovana ary ny fahazoana antontanisa azo antoka mi­ainga eny ifotony (CSB). Mila ampiakarina ny tahan’ny vola ampiasaina hikarakarana ny fahasalamana ao anatin’ny tetibolam-panjakana. Tokony ho 15% amin’ny tetibola no hoan’ ny fahasalamana, araka ny tapaka tany Abudja.
Ao anatin’ny LFI 2023, mbola 8% no naroson’ny fanjakana ho an’ny fahasalamam-bahoaka. “Efa na­nao ezaka ny fanjakana fa tsy mbola ampy io sora-bola io”, hoy ny firaisamonina sivily.
Tsiahivina fa nosantarina teto Madagasikara, tao­na vitsivitsy lasa ny tolotra fa­hasalamana ho an’ny da­ho­lobe (CSU). Nisy mponina amin’ny distrika ma­ro­maro nampiharana azy

Vonjy A.

Partager sur: