Fahamarinan-toerana politika… androsoana

Olana politika no anisan’ny fototra sy fositra mahatonga olana toekarena? Na ny mifamadika amin’izay: ny olana toekarena no miteraka fahasahiranana politika. Saingy na ahoana na ahoana, saika mifaningo-paka amin’izy roroa ireo hatrany ny olana sosialy: mahatonga olana sosialy saro-bahana sy mitarazoka, ohatra, ny olana toekarena amin’ny firenena mahantra. Toy izany koa ny olana politika, raha vao mivoaka ny lapam-panjakana ka tafidina an-dalambe ny adihevitra politika: lasa tany sy fanjakana tsy tan-dalàna.
Amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy sy izay iainan’ny vahoaka ifotony etsy sy eroa: mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana, ny karazana fisolokiana sy fisandohana… Zava-tsy inona amin’izao, amonoan’ny sasany olona. Tsy vitan’izany, misy mahavita manao takalon’aina. Na misandoka andraikitra, mihaino sy mandray feo resaka an-telefaonina… Olana toekarena no antony? Fahantrana, tsy fisian’asa… Eo koa ny fitia te hanambe haingana sy tampoka, za-dratsin’ny gaboraraka amin’ny fanovana kolikoly…
Ho tonga hatraiza? Tsy mbola lasa olana politika aloha ny olana sosialy sy toekarena. Na efa mby amin’izany? Eny, na eo aza, ohatra, ny famendrofendroana lava afitsoky ny mpanao politika sasany ny amin’ny mety hisian’ny korontana sosialy noho ny fahantram-bahoaka. Misy efa miandry kendry tohina fotsiny? Tsy inona fa olana toekarena ihany… Misafotofoto izy izany? Na politika, na toekarena, na sosialy… Taom-pifidianana izao, ifamahofahoan-javatra maro. Mila tsy ho fantatra mazava intsony ny hoe inona?
Azo anatrarana tanjona politika, ohatra, ny olana sosialy, araka ny atao na ahian’ny mpanao politika sasany: fanovana fampielezan-kevitra, hono, ny hetsika sosialim-bahoaka, vonjy tavan’andro ihany fa tsy mahomby sy tsy azo antoka ary tsy maharitra. Na izany aza, mila vahana ifotony ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao. Mety hitsipotitra ho olana politika raha tsy mivaha sy milamina maharitra? Na mety hivadika zavatra hafa amin’izao taom-pifidianana izao… Ny vahoaka no hoe tompon’ny teny farany amin’izany.
Hisy fampandrosoana ho vanona amin’ny tsy fahamarinan-toerana politika? Na hisy fahamarinan-toerana politika amin’ny tsy fisiana na tsy fahavanonan’ny fampandrosoana…

R. Nd.

Partager sur: