Nitohy teny Antsonjombe indray, omaly, ny hetsika fitsaboana mitety vohitra “Caravane médicale”, ankoatra ireo efa tanterahina any amin’ireo faritra. Anisan’ireo tonga teny an-toerana ny filoha Rajoelina Andry mivady.
Mazava ny toromariky ny filoha amin’izao hetsika izao ny mba hampifanarahana tsara amin’ny aretina mahazo ny marary ny fanafody, omena azy ireo. Nohamafisiny fa mitsinjo ny vahoaka hatrany ny fitondram-panjakana. Maimaim-poana rahateo izao fitsaboana mitety vohitra izao, ary nitetezana ny boriborintany enina, eto Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny tolotra eo amin’ny fahasalamana izany ny “Radiographie”, ny momba ny fo “Cardiologie”, ny fizaham-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza. Eo koa ny fitiliana ny homamiadanan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. Manampy izany ny fitsaboana nify sy ny ati-vava… “Mba tsy ho menatra hanampim-bava intsony isika rehefa miresaka sy mifampitafa amin’ny fanamboarana ny nify”, hoy izy.
Tsy vitan’izany fa teo koa ny fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny mahalahy sy mahavavy.
Iarahana amin’ny fikambanana Fitia
Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ireo hetsika fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ny 8 marsa izao, izany. Hifarana amin’ny alarobia, hanamarihana izany rahateo ny fitsaboana mitety vohitra.
Nifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny fikambanana Fitia, tarihin’ny vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy. Eo koa ny eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena.
Synèse R.