Marary ilay firenena!

Tafahoatra ny zava-misy ankehitriny, amin’ny fitiavan-tseza miteraka lonilony amin’ny samy mpiara-dia amin’ny filohan’ny Repoblika. Tsy misy sehatra, tsy mifidy fotoana, tsy mifidy toerana, fa rehefa misy hirika hidirana sy handrehetana ny afo dia injao mailaka ny fikopakopahana azy hidedaka. Inona indray izao ny tanjona amin’io resaka ambasadaoro any Paris io? Iza indray no mikajikajy ka nahatonga ny fitokonana? Tena manahirana ny mijery ny zava-miseho ao anatin’ny fitondrana. Efa tsy takona afenina ka manala baraka ilay Malagasy tsivakivolo.
Ny tena olana! Be vava ireo mpitari-bato vilam-bava, fatra-pitady tombontsoa manokana. Ireny matetika no henon’ilay filoham-pirenena mpanapa-kevitra. Ity farany izay sasatra ny ampijabahan’ireo mpanolotsaina amin’ny fanilihana ny olona tena akaiky sy nanohana azy. Porofon’izany ny zava-misy ao Paris. Iza no olona nihazakazaka sy nanao vavabe fa hahita azy ilay mpanolotsaina voalohany, tiana hoesorina? Moa va tsy olona izay nisora-tena fa mpanolotsaina notendrena, kanefa tsy nahazo taratasy? Ilay vehivavy hanaovana fitokonana anefa olona tena tsy niala ny Filoha Rajoelina, hatramin’ny tetezamita. Nitankosina tamin’ny mpanao fampielezan-kevitra teny amin’ny Arena, ny taona 2018.
Tsy hidirana lalina ny toetran’ilay Ramatoa, satria samy amin’ny nanabeazana azy, hoy ny fitenintsika Malagasy. Ny tiana hisintonana ny lakolosy, ity olona rehetra nitolona sy niady ho an’ilay Filoham-pirenena, anaovana antsojay sy ailika ity. Manjakazaka sy mizahozaho mihitsy ny mpihavy tafara. Hadino tanteraka ny nitolona. Marina fa tsy valisoa na tambiny ny fizaran-tseza, saingy mila fahamarinan-toerana kosa ny mpano­hana, ahafahana miasa misimisy kokoa, hanatanterahana ny Velirano miaraka. Inoana sy antenaina fa mahalala tsara izany ny filoha Rajoelina ka tsy ho taraiky ny fakana fanapahan-kevitra raha mbola mikasa ny hilatsaka hofidina.
Hatramizao, tsy mbola hita taratra tokoa izay tena fanoma­nana ny fifidiana. Ny honohono sy ny resabe no maro. Malaza ilay fampihavanana sy ny fandravonana ny olana anaty hotari­hin’ny Fiombonan’ny Fiangonana kristianina eto Madagasikara na ny FFKM. Tsilian-tsofina no nahenoana fa ity fikambanan’ny raiamandrenim-pinoana ity no hany mahazo famatsiam-bola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka vahiny. Ankoatra izay, mikatona avokoa ny lalam-bola. Tsy hay izany na ho tratra na tsia amin’ity taona 2023 ny fifidiana na nisy aza, daty nomen’ny CENI, nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpano­renana.
Fonon-teny iny fa andrasana indray izay ho fanapahan-kevitry ny fitondrana momba an-dramatoa mpanolotsaina voa­lohany any Paris. Iaraha-mahalala rahateo fa izay fanapahan-kevitra raisina izao dia miankina amin’ny fitsaram-bahoaka eny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook!

r.r

Partager sur: