Saika namoy ny ainy! Tratran’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray namaky trano teny Ambohipo, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) izy noho ity vaky trano nataony ity. Nahazo antso ny polisin’ny CSP2 fa misy trangana vaky trano eny amin’iny faritra Ambohipo iny. Nopitsohin’ilay jiolahy ny varavaran’ny tompon-trano. Niditra tao an-trano ka nibata ny tele sy ordinatera entin-tanana iray ary finday. Teo am-pivoahana ny trano izy no hitan’ny tompon-trano ka lasa nirifatra nitsoaka. Raikitra ny fifanenjehana, tsy lasa lavitra anefa izy dia tratran’ny fokonolona teo amin’ ny manodidina. Niharan’ny vono sy daroka izy noho ny hatezeran’ny olona. Raha tsy tonga haingana ny polisy, namoy ny ainy teo ilay jiolahy. Nentin’ny polisy tany amin’ny hopitaly notsaboina, avy eo nentina tany amin’ny biraon’ny polisy anaovana fanadihadiana. Niaiky ny zavatra nataony izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.
Jean Claude