«Fifandraisana : Hanao ahoana ny hoaviny ho an’ny vehivavy ?» Io no lohahevitry ny dinika sy fifampizarana teo amin’ireo andriambavilanitra izay notanterahina omaly, teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Hetsika izay nokarakarain’ ireo vehivavy mpiofana avy amin’ny andiany faha-19 eo anivon’ny CEDS sy ny Club Arisera. Nahitana ny fandraisan’ anjaran’ny klioban’ny mpianatra ao amin’ny sampam-pianarana serasera sy ireo mpampahalala vaovao samihafa.
Voaresaka tamin’izany ny olana eo amin’ny fitadiavan’ asa sy ny fifaninanana eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny olona hiasa kanefa anisan’ny fototra tena hiompanan’ny fampandrosoana izany. Tafiditra anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny hetsika.
Novelabelarina ny tombontsoa, ny fanamby, ny zava-misy anatin’ny asan’ny fifandraisana, ny famoronan’asa sy ny fomba hahafahana mivoatra sy manaraka ny vanim-potoana ankehitriny.
Nizara ny haizatrany tamin’izao fihaonana izao ireo vehivavy efa matihanina.
Nahitana an’i Harilala Ramanantsoa, Lova Rabary, Rindra Rakotoarisoa, Hilda Hasinjo Ravelonahina, Onja Randriamanakoto ary Zoniaina Razafinarivo.
Hitohy ny tari-dalana ho an’ny tanora ho fampirisihana sy hanetsiketsehana azy ireo hitrandraka ny fahaiza-manaony sy ny talentany mba ho fanoitra hampivoarana ny toekaren’ny firenena mifototra amin’ny otrikarena maro azo avy amin’ny asa.
Tatiana A