Miralenta – Anjara andraikitra: hialana ny hevi-draikitra napetraky ny fiarahamonina

Niofana mikasika ny lohahevitra mifototra amin’ny tsy fanavakavahana eo amin’ny maha lahy sy maha vavy ireo mpanao gazety omaly. Tanjona ny hialana amin’ny hevi-draikitra rehetra napetraky ny fiarahamonina.

Tontosa omaly, tetsy An­taninarenina, ny fampiofanana ireo mpanao gazety mikasika ny miralenta sy ny herisetra eo amin’ny maha lahy na maha vavy. Nokarakarain’ny ONG C for C (Capacity-Building for Communities), tetikasa Sa­hala. Mba hialana amin’ny hevi-draikitra rehetra napetraky ny fiarahamonina, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Nisitraka izany ireo mpanao gazety miisa 38 eo anivon’ny haino vaky jery eto Antananarivo. Mba ho lahatsoratra tsy ahitana fiandaniana na fanindrahindrana momba ny fahasamihafana eo amin’ny anjara andraikitry ny maha lahy na maha vavy ny lahatsoratra avoakan’ny mpanao gazety.
Mbola mipetraka ny hevi-draikitra eo anivon’ny fiarahamonina ary mbola maro ny mpanao gazety manindrahindra izany. Ohatra ny fitaizana any an-tokantrano, ny loko ampiasaina ho an’ny zaza, ny asa natokana ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy… Mahatonga herisetra eny anivon’ny fiarahamonina, ao an-tokantrano na eny anivon’ny toeram-piasana ny fanaovana izany. Sakana ho an’ny fampandrosoana ny fanavahana eo amin’ny maha lahy sy maha vavy, araka ny fanazavana nataon’izy ireo. Noha­mafisin’izy ireo fa mijanona eo amin’ny eo amin’ny toe-batana sy ny taovam-pananahana ihany ny maha samihafa ny lahy sy vavy.
“Mpanabe ahitam-bo­kany lehibe indrindra eny amin’ny vahoaka ny mpanao gazety ka antony nisafidianana azy ireo”, hoy ny tomponan-draikitry ny fanentanana eo anivon’ny ONG C for C, te­tikasa Sahala, Rangitahari­manana Nirina Odette. Tan­jona ny hifehezana ny lohahevitra mifototra amin’ny tsy fanavakavahana eo amin’ny maha lahy sy maha vavy. Eo koa ny fanamafisana ny andraikitra amin’ny toe-javatra manaitra ny fiarahamo­nina. Toy ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy. Marihina fa andiany fahadimy ary mbola hitohy hatrany ny hetsika.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: