Mahatratra 8 ireo olona maty nandritra ny fiverenan’ny rivodoza Freddy teto amin’ ny Nosy, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny Birao nasionaly momba ny fitantanana ny loza (BNGRC), omaly. Nahitana olona iray maty tao Bekily, 2 avy ao Ampanihy Andrefana, 3 avy ao Morombe ary 2 hafa tao Toliara II. Iray ny olona tsy hita popoka avy ao Ankazoabo hatramin’izao. Nahitana fiakarany ireo traboina manerana ny Nosy vokatry ny rotsakorana nentiny. Maherin’ny 40.375 izy ireo. 8896 ireo nafindra toerana avy amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Androy ary Menabe. Mahatratra 14.502 ireo olona tsy maintsy nafindra toerana amin’ireo toerana samihafa miisa 14.
11.338 kosa nifindra any amin’ireo havany. Manodidina ny 3.649 ireo fotodrafitrasa tototry ny rano manerana ny Nosy vokatry ny rotsakorana. 1.355 amin’izy ireo, simba avokoa.
Mino (mpianatra asa)