Fikambanana FAM : omena sehatra ny vehivavy mpandraharaha

Ahitana fampirantina sy fifampizarana ho an’ny vehivavy mpandraharaha etsy amin’ny immeuble UPNNC Ambohitsoa, anio. Karaka­rain’ny fikambanana FAM (Femmes auto entrepreneures à Madagascar). Nampiton­draina ny lohahevitra hoe : «cocktail de réseautage». Fotoana iray hifanakalozana traikefa sy hifanampiana ary hifanohanana eo amin’ireo ve­hivavy mpikambana sy ny vahiny nasaina izy io. Tanjona ny hampiroboroboana ny sehatr’asan’ireo vehivavy mpandraharaha eto amin’ny Nosy, tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fikambanana rahateo.
Vokatra andrasana mandritra ny fihaonana, ny fametrahana fifandraisana amin’ny sehatra maro samihafa. “Hi­rika fanararaotra ho an’ny vehivavy mpandraharaha izy io satria afaka mifanerasera amin’ny mpiara-miombon’ antoka maro samihafa eo amin’ny sehatra nasionaly izy ireo”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana FAM, Andriamanan­draibe Andriani­na na Bibz Andrian.
Tsiahivina fa nisokatra tamin’ny volana Novambra lasa teo ny fikambanana. Mahatratra 40 ireo mpikambana mandrafitra azy hatra­min’izao. Hanasana ireo vehivavy te hisitraka ny asa fandraharahana ny hetsika.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: