TSA Madagasikara : resy lahatra amin’ny hiarovana ny sokake

Manana ny toetra tranainy hatry ny 200 tapitrisa taona ny sokake. Ilaina ny fiarovana azy ireny ary misy ny efa mahatsapa izany. Dinidinika niarahana tamin’ny mpandrindra nasionalin’ny Turtle Survival Alliance (TSA) Madagasikara, ny Dr. Randriamahazo Herilala.

Gazety Taratra (*) : Azonao fintinina ve ny mampiavaka ny sokake?
Dr. Randriamahazo Herilala  (-) Nisahana irery ny asa fanapariahana ny voan’ala ny sokake rehefa lasa ireo biby lehibe sy malaky fandeha. Manana ny toetra tranainy efa tsy niova hatry ny 200 tapitrisa taona mahery ny sokake. Tombony ho azy izany fa tsy fatiantoka akory.

* Hatramin’ny nisian’ny TSA, inona avy ny zava-nisy sy tsapanareo ?
– Soa fa nijoro ny TSA Ma­da­gasikara niatrika ny fandripahana efa nahazo laka ka na tsy foana aza ny fanimbazimbana ny kolontsaina nahatahiry ny sokake dia efa mivoatra ny toetsaina liana amin’ny fitandroana ny maha-Malagasy.
* Inona ny zavatra tsara sy ny lesoka ?
– Misy ireo efa resy lahatra fa mety tokoa ny miaro ny sokake na tsy maro aza. Efa lany tahaka ny sokatra Angonoka any Soalala, anaty ala voajanahary, io sokake io raha tsy nisy ny fahatsapana nampahatsiahivina amin-kery ny loza mitatao manoloana ny faharinganana.
Miandalana ary mizotra miadana ny fiovana mankany amin’ny fandraisana andraikitra fa tsy atao mahakivy izany. Efa tsapa fa azo resena tsara ny toetra manimba ny harem-pirenena toa ny sokake.
* inona ny soson-kevitry ny TSA hanatsarana ny tontolon’ny fitantanana ny sokake?
– Havaozina isan-taona ny fampahatsiahivana ny soa iombonana sy ankatoavina eny ifotony. Ny mampalahelo dia mbola misy ireo mitazona anjara asa goavana eto amin’ ny Nosy no mbola misalasala hanaja ny toetra fototra maha-Malagasy azy ireo. Mila mpitarika maharesy lahatra azy ny firenena hipetraka hotarafiny raha diso lalana izy.
Antenaina fa haverina hanampiana ny asa fiarovana ny sokake ireo volan-tsazy sy lamandy miditra amin’ny ministera noho ny fahatrarana ireo mpanao ratsy mihaza na koa manondrana ny sokake.
*Manao ahoana ny lanjan’ny « Dina » ?
– Ireo dinam-paritra miaro ny harem-pirenena toy ny so­ka­ke any Androy sy Atsimo An­drefana dia vokatry ny asa nanentanan’ny TSA Mada­ga­si­kara ireo olona voakasika mivantana eny amin’ny Fa­ri­tra. Tolo-tanana ny an’ny TSA fa ny Malagasy no tompony no sady misitraka ny vokany.
Naka tsirin-kevitra avy tamin’ny Lilintane i Androy ny fananganana ny Dinabe tany Atsimo Andrefana. Fahombiazana izany ho an’ny fahaizana mitarika.

Nangonin’i Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: