Tamin’ny taona 2017, efa niray feo ny vondrona fikambanana mpandraharaha maro, toa ny Fivmpama, Sim, sy ireo hafa, miray hina ho fanarenana ny seha-pihariana eto Madagasikara. Heverin’ireo fikambanana isan-tokony ireo fa fototry ny tsy fandrosoan’ ny firenena ny firafitra misy tamin’izany fotoana, koa sokajin’olona vitsy ihany no mahazo tombony.
Nambaran’ireo fikambanana ireo fa ilaina ny fananganana indostria amin’ny fomba maharitra. Ohatra ny indostria mitodika amin’ny fanodinana akora fototra izay feno isan-karazany eto Madagasikara. Efa politika nofaritan’ny minisitera ankehitriny izany
amin’ny fampihenàna ny entana afarana avy any ivelany. Nilaza ireo mpandraharaha fa fanamby atao ny mamoaka an’i Madagasikara amin’izao kizon’ny fahantrana izao, nefa vao mainka mahazo vahana izany ankehitriny.
Vahaolana aroso amin’izany ny mampivelatra ny fambolena sy fiompiana. Io fanodinana akora fototra eto an-toerana io no vahaolana naroson’ireo mpandraharaha, satria tsy mamokatra izay vokatra jifaina ary tsy manjifa izay vokarina. Kendrena ny hanodina akora fototra eto an-toerana toy ny vokatry ny fambolena sy fiompiana, ny harena an-kibon’ny tany. Ny indostria ho an’ireo mpandraharaha ireo dia tokony hialana amin’ ny tsy fananan’asa mitambesatra eto amin’ny firenena sy tokony hanampy amin’ny fampidiran-ketra,
Tokony handray andraikitra ny fanjakana
Miandry ireo sehatra tsy miankina fa tokony handray andraikitra tandrify azy ny fanjakana mahakasika ny fotodrafitrasa, ny lalana, ny angovo azo havaozina, ary ny fandriampahalemana. Adidin’ ny fanjakana nasian-teny koa ny manafoana ny fifaninanana tsy ara-drariny (concurence déloyale) miteraka fahavoazan’ ny orinasa sy fahaverezan’asa maro eto Madagasikara.
Ndrina